Tany Bateravola, Fianarantsoa, tany niaviany ny sabotsy teo no nampiezinezenan’i Joseph Martin Randriarimampionona na dadafara, izay filoha mpanorina ny antoko RTM na “refondation totale de Madagascar”,
fa ho kandida fanindroany ho filoham-pirenena indray izy. Raha tsiahivina dia efa tao anatin’ireo kandida miisa 33 tamin’ny taona 2013 izy ary nahatafaverim-bola ihany. Araka izany dia tsy miova ny fomba fijery politikan’ity mpanao politika mpandraharaha ity dia ny filana fanorenana tanteraka an’i Madagasikara. Andrasana na ho nio no hanaterany ny dosieny na rahampitso.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.