Politique

Dadafara Hisy fiovana mahery vaika eto


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Raha jerena amin’ny hoenti-manana, tsikaritra fa misy ny kandida sasany mampiasa hatrany amin’ny 100 miliara Ariary.

Rehefa nahita izany ny tena dia nanapa-kevitra tamin’ny voalohany ny tsy hanao noho ny resaka volabe, saingy rehefa nandinika fa raha tsy manao dia hitohy foana ny fahapotehan’ity firenena ity, hoy i Dadafara na Randriamampionona Joseph Martin izay efa kandida tamin’ny 2013, ary mbola nirotsaka tamin’ity, ka eo amin’ny laharana faha-10 ao anaty bileta tokana. Raha toa ka resy lahatra ny vahoaka, dia arahaba soa arahaba tsara fa hisy ny fiovana mahery vaika eto, hoy i Dadafara. Ho an’ny sasany, Coliseum ao anatin’ny 5 taona no atao hoe fandrosoana, ary tsy misy lalana na 100km aza, kanefa laharam-pahamehana sy antoky ny fandrosoana io. Tetibola madiodio avy amin’ny fandoavan-ketran’ny Malagasy tsy misy idiran’ny famatsiam-bola avy any ivelany, dia hahafaha-manao lalana 5000km isan-taona. 10 000km no lalana tokony ho vita eto raha hampifandraisina ny Distrika rehetra, ary 72.000km eo raha ho an’ireo kaominina 1600. Minisitra teo aloha fa hatramin’ny voalohany mihitsy aho no tsy HVM, ary antony lehibe nanesorana ahy tsy ho minisitra izany, hoy i Dadafara. Nitazona hatrany ny “Réfondation Totale de Madagascar” na RTM aho ary nisy tamin’ireo minisitra HVM no nambosibosy ny filoha hoe : esory i Dadafara satria tsy mitovy fisainana amiko, hoy izy. Tena niasa aho ary nahavita zavatra betsaka. Tao anatin’ny sivy volana aho no minisitra fa ny roa volana farany vao nivoaka ny tetibolam-panjakana fa nahavita nametraka toeram-piompiana roa goavana be, tsena lehibe tany Mananjary, Port-Bergé, Ifanadiana,… Nahavita toeram-pamonoana omby maro tamin’ny tetibola 1/1000 mitaha amin’ny tetibolam-panjakana, fa izany no anisan’ny nankahalana ahy. Na fiara nampiasaiko aza tsy nisy satria nentin’ireo minisitra rehetra teo aloha, izany hoe : ireo tamin’ny tetezamita, ary mbola nanao izany ny taoriany. Ny ahy no nampiasaiko tsy nisy sarany, hoy izy. Nolotoina ho nivarotra ny toeram-pamonoan’omby teny Ankadindratombo aho, izay tsy afaka ny hanao izany akory satria tanin’ny Kaominina io, hoy hatrany i Dadafara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT