Politique

Dada sy ny MAP II Hampisondrotra ny faripiainan’ny Malagasy


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Fanohizana ny fandaharan’asa MAP I, izay efa nahitam-bokany azo tsapain-tanana tamin’ny fiainan’ny Malagasy ny MAP II satria efa nanomboka ny fiakaran’ny harinkarena izay nihoatra ny 7% tamin’ny taona 2008.

 

 Zava-dehibe ny fanabeazana ny zanaka Malagasy rehetra amin’ny alalan’ny fanabeazana ho an’ny rehetra, izay arahina fampitaovana amin’ny alalan’ny “kits scolaires”, ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana na an-drenivohitra na ambanivohitra, ny fampitomboana haingana ny fananan’asa, ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy manakaiky ny vahoaka. Tsy nataotao foana ny MAP II fa niainga tamin’ny fakan-kevitra sy fijerena ifotony sy fifanakalozan-kevitra nifanaovany tamin’ny Malagasy nataon’i Marc Ravalomanana taorian’ny niverenany teto Madagasikara ny taona 2014. Teo ihany koa ny fifampiresahany sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay efa vonona ny hiara-kiasa sy hifanome tanana amin’i Marc Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy. Asa hotanterahina ary ho hita mivaingana sy afaka manatsara ny fiainan’ny Malagasy ny MAP II, ary fanomezan-toky sy velirano omen’ny kandida Marc Ravalomanana amin’ny alalan’ny Manifesto. Tena asa hatao avy hatrany ary efa mipetrapetraka ny fomba hanaovana azy fa tsy vina na “initiative”. Feno ary mirafitra tsara ny MAP II, izay misy velirano 10 amin’ny alalan’ny Manifesto ary mahafaoka ireo sehatra rehetra toy ny politika, sosialy, toekarena, kolontsaina … ary sahaza ho an’ny Malagasy rehetra na inona na inona faripiainany na an-drenivohitra na any amin’ireo toerana lavitra andriana. Misy pitsopitson’asa tsy maintsy tanterahina ao amin’ny fanatanterahana ireny velirano tsirairay ireny. Ny fanjarian-tsakafo, ohatra, dia hampiasana ny teknolojia avo lenta, fanamorana ny fisitrahan’ny tantsaha ny fampitaovana toy ny zezika, masomboly, ny fametrahana fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Azo tanterahina tsara ary afaka manatsara ny faripiainan’ny Malagasy ny MAP II sy ny “Manifesto”. Ankoatra ny fampidiram-bolan’ny firenena dia vonona ihany koa ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana mba hahafaha-mampiakatra ny harinkaren’i Madagasikara sy ny faripiainan’ny Malagasy. Hivelatra ary hahazo laka ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P. Tsy fampanantenana poakaty na fampanofinofisana ny Malagasy ny MAP II fa tena asa azo tanterahina sy hotanterahina ary tena ho vita, araka ny fanambin’ny kandida Marc Ravalomanana, izay efa nilaza fa ny andro sisa iainany dia hatokany hanasoavana ny firenena sy ny vahoaka, ary hanao izay farafahaizany izy.

 

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT