Mampitombo hatrany ny fisehoany imasom-bahoaka sy ny fifangaroany amin’izy ireo Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa vadiny izay kandida ben’ny tanŕna moa. Ny tsapa tamin’ireo fisehoany rehetra nataony dia nahafaly ny olona hatrany no nahita an’i Dada, na taiza io na taiza ary tsy nisy ny hoe nisiotsioka na nitora-bato na nanao teny tsy voahevitra taminy.
Diso tanteraka aloha izany eto ny filazana nandritra ny fitondrana tetezamita fa hoe efa naloan’ny Malagasy ka tsy tiany hiverina eto intsony Atoa Ravalomanana. Nandray anjara mavitrika tamin’ny asam-baomiera nandritra ny fampihavanam-pirenena teny Ivato i Dada, nihinam-bary tamin’ny hotely gasy, nisotro kafe teny an-tsisin-dalana, nijery ny fampisehoan’i Bodo teny Ankorondrano izy mivady, nankafy an’i Erick Manana ary tazana nijery lalao baolina lavalava teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina.
Tompon’ny serasera
Tsy iadian-kevitra fa olon’ny fifampiresahana i Marc Ravalomanana ary tena manana talenta lehibe amin’ny resaka serasera ary hainy ny mampiasa io talenta io amin’ny fotoana ilana azy. Io no efa nampisongadina azy tamin’ny 1999 raha nanao propagandy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna izy, goavana ny fisehoana, niavaka ny endrika ivelany, mafonja ny foto-kevitra nentina. Tahaka izany koa ny tamin’ny 2001 sy 2006 raha niatrika ny fifidianana filoham-pirenena izy. Fa ho an’ireo izay maharaka tsara dia mahafantatra fa nandritra ny vanim-potoan’ny krizy sy ny amin’izao repoblika faha-4 izao no tena henjana ny serasera ampiasain’i Marc Ravalomanana, ary izay no anisan’ny tsy azo nanilihana azy teo amin’ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika eto Madagasikara. Mazava ho azy fa manana io talenta miserasera sy mifandray aman’oloana ary mandresy lahatr’olona io ihany koa Rtoa Lalao Ravalomanana. Tsotra, mora raisina kanefa mifantsika any am-parahatoka ny fomba firesak’izy mivady ireto sy ny fomba fanehoan-keviny, izay tena mifandray amin’ny zava-misy sy ny tadiavin’ny olona. Izy ireo rahateo efa nanaporofo fa azo tanterahana ny nofinofy rehefa manam-pinoana sy miasa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.