Politique

Dada sy Neny Mandresy miaraka amin’ny vahoaka


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Niavaka tsy tahaka ny mahazatra ny ambiasin’ireo mpikotrana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 6 jona lasa teo satria vao maraina tamin’ny 5 ora sy sasany dia nigadona teny an-toerana Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny nihakazaka niaraka tamin’ny rehetra.

 

Vatana tomady, saina matsilo

Vetivety dia tomefy olona ny teny amin’ny kianjabe, tsy isan’andro no misy filoham-pirenena teo aloha izany miaraka mikotrana amin’ny vahoaka. Niara-nahita maso izay rehetra tonga teny fa tena mbola matanjaka sy manana ny maha izy azy i Dada sy Neny raha resaka kotrana sy fitaizam-batana no resahana. Tsara homarihana fa tsy hoe vao tamin’io sabotsy io no nihazakazaka izy mivady ireto fa efa fomba mahazatra azy ireo hatry ny ela izao. Ankoatra ny hazakazaka vao maraina dia milomano, manao tenisy ary mikotrana mibata fonjamby ihany koa i Marc Ravalomanana ary izay no maha salama azy. Ao anatin’ny vatana tomady no misy ny saina matsilo, hoy ny fitenintsika malagasy izay.

Mijery ifotony ny fiainam-bahoaka

Vita ny kotrana teny Mahamasina, taorian’ny fakana sary niaraka tamin’ireo vahoaka maro be dia nizotra nankeny amin’ny tsenan’Anosibe indray i Marc sy Lalao Ravalomanana nijery ifotony ny zava-misy, nijery imaso ny fiainam-bahoaka andavanandro, niresaka tamin’izy ireo nanontany ny hetahetany, nifanakalo hevitra ihany koa. Anosibe izay misy ny tsena lehibe indrindra eto Antananarivo ary hifamezivezen’olona an’arivony isan’andro. Nahafaly ny olona ny fahafahany nihaona mivantana tamin’i Dada sy Neny ary tena tahaka ny ray aman-dreny sy zanaka mihitsy ny fomba nifandraisana. Voaporofo indray tamin’iny sabotsy iny fa tena mbola mamy hoditra eo anatrehan’ny fiarahamonina sy ny vahoaka i Marc Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana izay kandida ben’ny tanànan’ny TIM eto an-drenivohitra. Miaraka amin’ny vahoaka, eo anilan’ny vahoaka hatrany izy mivady ary efa nametraka fanamby fa tsy maintsy miara-mandresy amin’ny vahoaka, amin’ny ady amin’ny fahantrana atao eto amin’ny firenena.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT