Politique

« Cyclone » tao Mahazoarivo Tandapa 3 nesorina


  • Talata 26 Aogositra 2014

Fantatra fa nanao veloma ny mpiara-miasa rehetra teny Mahazoarivo i Naivo Marius Rakotozafindrabe, talen'ny Kabinetran'ny Praiminisitra Kolo Roger.

Araka ny vaovao dia tamim-pitsikiana tanteraka no nanaovany izany fanaovam-beloma izany nandritry ny fotoana fananganan-tsaina isaky ny Alatsinainy. Misy aza moa no nilaza fa nanao fety mihitsy ny lehilahy tamin'izao nandaozany an'i Mahazoarivo izao. Fa inona no tena marina ? Nanala tena, nitsoaka an-daharana ve sa nesorina i Naivo Marius ? Fa ankoatra an’ingahy talen’ny kabinetra dia mpiara-miasa mirahalahy tena akaiky ny praiminisitra ihany koa no nesorina dia Atoa isany Jorlyn Edouard Radavidson mpanolotsaina manokana momba ny serasera, efa mpanao gazety tao amin’ny Midi Madagascar sy talen’ny fanoratana tao amin’ny Groupe Matv, sy Holijaona Rabaonarijaona mpandraharaha ary mpanolotsaina manokana momba ny toekarena tao Mahazoarivo. Araka ny tsiliantsofina re dia ny tsy fahombiazan’ny serasera teo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra no antony nandroahana an’i JE Radavidson, raha toa ka ny filazany fa hitombo 7% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity kosa no nisaorana an’i Holijaona Rabaonarijaona, satria 3% no nambaran’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola ao anatin’ny lalàna fanitsiana ny tetibola 2014. Nesorina ve sa nametra-pialana sa noterena mba hiala ? Sarotra ny mamantatra ny tena marina, fa ny azo antoka fotsiny dia tsy milamina ny eny amin’ny fiadidiana ny praiminisitra eny Mahazoarivo eny, be loatra ny fifanoheran-kevitra, tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny asa. Be manampahaizana loatra angamba tao an-dapa ka samy te hisongadina, hoy ireo be hanihany. Dimy volana aty aorian’ny fanendrena ny praiminisitra izany dia efa nanomboka sahady ny « cyclone » fanoloana sy fandroahana mpiasa tao Mahazoarivo, tranga izay azo andikana avy hatrany fa tsy milamina ny fitantanana satria tena ireo olona azo lazaina hoe tanana an-kavanan’ny praiminisitra Kolo Roger mihitsy ireo « voadaka » ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT