okony ho governemanta haingam-piasa no hijoro eo, hoy ny ACS na ny Amicale des anciens conseillers superieurs de la transition et senateurs de Madagascar.
TDiso sarotiny amin’ny fahombiazan’izao repoblika faha-IV izao mantsy ireo mpikambana ao aminy, hoy ny filohany Andriamaholison Jules omaly satria dia nandray anjara tamin’ny fametrahana azy tamin’ireo karazana lalàna maro samihafa izy ireo. Mirary soa ho an’ny governemanta Ravelonarivo Jean izy ireo sady miandrandra ihany koa ny faharesen-dahatry ny mpamatsy vola ho azy ireo, hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Na izany aza, anisan’ny hangatahan’izy ireo kosa ny fametrahana ny PUR na ny Plan d’Urgence de Redressement ankoatra ny fanaovana conference des amis et bailleurs de Madagascar. Mikasika ny fampihavanam-pirenena indray dia mankasitraka ny andraikitra noraisin’ny raiamandreny am-panahy FFKM izy ireo ary naniry mafy ny hiitaran’ny izany amin’ny herim-bahoaka rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.