Politique

CRN sy Fampihavanam-pirenena Tafatsangana omaly ny vaomiera handresy lahatra ny rehetra


  • Talata 21 Oktobra 2014

Fotoana tokony hohararaotina, hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena amin’ny fampihaonana ireo mpitondra nifandimby teto izao fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana izao

hoy ny sekretera jeneraly mpitarika ny CRN, Tabera Randriamanantsoa, omaly teny amin’ny foibe toerany teny Mahazoarivo. Am-panantenana lehibe tokoa no hiandrandrana ny fahatanterahan’ity fampihavanam-pirenena ity tsy ho ela, hoy ireo ao amin’ny biraon’ny CRN ivondronan’ireo antoko politika maro eto amin’ny firenena nivory omaly io. Neken’ireo mpikambana mantsy ny fanitsiana farany ny volavolan-kevitra nolaniana nandritra ny fivoriambe teny amin’ny hotely Panorama tamin’ny 26 septambra teo ka nantsoina hoe “Fifanarahan’ny 26 septambra tao amin’ny panorama”. Voasoritra ao anatin’io volavolan-kevitra io ny fananganana ny komitim-pirenena misahana ny fampihavanam-pirenena araka ny voalazan’ny tondrozotra. Hatolotra ny filoham-pirenena sy ireo rafitra rehetra voakasiky ny fampihavanam-pirenena havadika ho lalàna ity fifanarahana ity. Najoro omaly ihany koa ny vaomiera isan-tokony eo anivon’ny CRN hiandraikitra ny fandresen-dahatra an’ireo rafitra ireo, indrindra ny FFKM sy ny parlemanta, izay afaka hamadika azy ho lalàna avy hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT