Hivoaka amin’ny 29 martsa ny fehin-kevitra tapaka momba ny fampihavanam-pirenena, araka ny fanambaran’ny mpitarika ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN), Randriamanantsoa Tabera teny Anosy, afak’omaly alatsinainy 9 febroary. Adin’ny samy gasy madiodio izay tarihan’ny FFKM izy ity ka azo antoka ny hahombiazany, hoy izy
. Mahatoky ny fomba fiasan’ny FFKM ny CRN noho ny fahatsapany fa mizotra araka ny tokony ho izy noho ny fandavan’izy ireo ny famatsiam-bola saika homen’ny Vondrona eoropeanina sy ny PNUD saika hampiasaina tamin’io ka tena tafala amin’ny teritery avy any ivelany isika. Raha ny fandaharam-potoana azo, hoy ity mpanao politika mpitarika ny CRN ity, dia ho tonga eto Iarivo ireo solontenan’ny Faritra miisa 700 avy amin’ny fikambanana politika sy fiarahamonim-pirenena ary fikambanana iraisam-pirenena rehefa avy naka ny hetahetan’ny avy any an-toerana. Hivory eny amin’ny CCI Ivato izy rehetra ireo saingy ho any amin’ny efitrano hafa ny FFKM sy ireo filoha teo aloha sy am-perinasa no hanohy ny dinika. Ho soniavin’izy sivy mianaka ary havoaka ho fanta-bahoaka amin’io 29 martsa io izay tsoa-kevitra horaisin’ireto mpivory ireto ary hambara fa tsy maintsy hampiharina, araka ny fanazavan’ny tao amin’ny CRN ihany.
Ntsoavina Evariste
Légende: Randriamanantsoa Tabera mpitarika ao amin’ny CRN
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.