Politique

CRAM Olon-kendry sy manampahaizana no hatao praiminisitra


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Manoloana ny fizoran’ireo ankolafin-kery politika misy eto amin’ny firenena amin’ny fampiharana ny «fanapahan-kevitra politika ivelan’ny Lalàmpanorenana izay miendrika fanelanelanana »

tamin’ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana nitondra ny laharana 18 – HCC/D3 tamin’ny 25 mey 2018, naneho ny heviny mahasika ny fiainam-pirenena ny CRAM na Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar. Miteraka adihevitra goavana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ny fanendrena izay ho praiminisitra sady lehiben’ny governemanta amin’izao, hoy ny filoha nasionalin`ny CRAM, Joel Harison Marie Renè. Raha mikatsaka marina ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary ara-pomba demokratika, ny « soa iombonan’ny vahoaka malagasy » ny rehetra dia ny fametrahana « governemanta tsy miandany amin’ny kandidà hofidiana filohan’ny repoblika no hatsangana izay ahitana ireo minisitra teknisianina avy amin’ny minisitera tsirairay avy. Ny tanjona amin’ny fananganana ny “governemanta tsy miandany amin’ny kandidà hofidiana filohan’ny repoblika » dia hampitovy herijika ireo kandidà. Marihina fa raha vao miroso amin’ny fananganana “governemantan’ny fiaraha-mitantana” i Madagasikara dia hiteraka fandaniana mihoapampana amin’ny fisian’ny minisitera maro. Ho fanampiny, mba hialana amin’ny korontana mety hitranga indray aorian’ny fifidianana dia tsy maintsy mijery lavitra amin’ireo mpikambana amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana satria izy ireo no tsy maintsy hilaza amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Hatao ahoana ny fomba hanovana ny mpikambana amin’io andrim-panjakana io satria efa misafidy ny “fifanarahana ara-politika ivelan’ny lalàmpanorenana ihany ny rehetra ? ”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tolo-kevitra

Ho an`ny CRAM, ny olona mendrika hatao praiministra dia “olon-kendry sy manampahaizana” sady eken’ny rehetra no ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Olona tsy manam-pikasana hirotsaka hofidiana filohan’ny Repoblika amin’ity taona 2018 ity. Olona afaka manome toky ny vahoaka malagasy fa hamerina ny fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, hanao ny fomba rehetra hiadiana amin’ny asan-dahalo. Sarotra mantsy ny hanatanterahana ny fifidianana ao anatin’ny firenena anjakan’ny tsy filaminam-bahoaka. Olona hanomana ny fifidianana madio sy mangarahara tanteraka ka sahy hanova ireo mpikambana ao amin’ny CENI, indrindra fa ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny DSI (Direction Système Informatique). Olona afaka hitsitsy ny volam-panjakana ka tsy misy afa-tsy 12 ka hatramin’ny 15 no isan’ny minisitra satria hatambatra ireo minisitera manana asa iombonana.

 


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT