Voafidy ho mpikambana ao amin’ny komitin’ny tetibola sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny CPI (Cour Pénale Internationale) i Rivomanantsoa Robimanana Orlando
Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana am-perinasa.
Nandritra ny fivoriambe faha-13-n’ireo firenena nanao sonia ny fananganana ny CPI tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana tany New York ny alatsinainy 8 desambra teo no nahavoafidy azy. Izao nifidianana azy izao dia manaporofo indray fa mahay ny Malagasy ary miaiky izao tontolo izao. Mandinika ireo dosie mikasika fitantanam-bola sy tetibola eo anivon’ny CPI sy ny fivoriamben’ireo tany mpikambana no iraka ampanaovina azy. Mivory in-droa isan-taona ny komity, ary telo taona no faharetan’ny taom-piasany. Na eo aza io andraikitra vaovao io dia manohy ny asa maha Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy azy i Robimanana Orlando, asa sahaniny hatramin’ny 2009. Tsiahivina fa filoha iraisam-pirenenan’ny AIST (Association Internationale des Services du Trésor) koa izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.