Politique

« Collectif d’Ambodivona » Tsy noraharahian-dRajaorimampianina


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika ,misy zava-baovao foana isan’andro,taorian’ny fanateran’ireo milaza fa solombavambahoaka (miisa 118) maro an’isa anarana praiminisitra teny Ambohitsorohitra, dia nipoitra indray « Collectif d’Ambodivona » ahitana ireo kandida 4 tsy lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vondrona Mapar

Milaza izy ireo sy ny antokony tsirairay avy fa manana ny solombavambahoaka (miisa 80) maro an’isa eny Tsimbazaza, nangataka fihaonana tamin’ny filoham-pirenena izy ireo ary milaza fa hanatitra anarana praiminisitra ihany koa.Lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ity vovonana vaovao ity moa Rtoa sy Atoa isany Christine Razanamahasoa, Sarah Georget Rabearisoa, Hajo Andrianainarivelo, Jean Louis Robinson ary ny jeneraly Camille Vital.Tara loatra anefa ity fihetsiketsehana ity satria dia voatendry omaly alina ny praiminisitra vaovao dia ny jeneraly Jean Ravelonarivo izany, tsy niandry izay mety ho fihaonana amin’ity « Collectif d’Ambodivona » ity akory ny filoha Rajaonarimpianina ary azo antoka fa mety tsy nahazo akory  izay anarana kandida praiminisitra natolotr’izy ireo, ary tena tsy niraharaha izany mihitsy satria efa tafiditra tao anatin’ireo anarana 14 natolotry ny PMP ny talata lasa teo ny anaran’ity praiminisitra vaovao ity.Mazava ny resaka eto fa dia vaky tanteraka ny ady eo amin’ny filoham-pirenena sy ny vondrona Mapar mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina sy ireo kandida filoha 4 izay nanao fanambarana teny amin’ny hotely Carlton omaly tolakandro.Ho hita eo ny tohiny satria milaza ny tsy hipetra-potsiny ry zareo ao amin’ny « Collectif d’Ambodivona ».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT