Politique

Collectif Ambodivona Mety handrafitra ny governemanta vaovao ?


  • Zoma 16 Janoary 2015

Mandeha indray ny feo ankehitriny fa mety ho anisan’ireo olona handrafitra ny governemanta ho avy manaraka eo ireo vondron’antoko Ambodivona.

Nihazakazaka tokoa ny fandehan’ny raharaham-pirenena tato anatin’ny 72 ora. Nisy ny fanalana tampoka ny praiminisitra Kolo Roger rehefa samy tsy nisy nanampo ny mpanara-baovao. Andro  vitsy taorian’izay anefa dia notendrena tampoka ihany koa  ny praiminisitra vaovao. Anisan’ireo nanolotra anarana ho amin’izany toerana izany ny vondrona Ambodivona, araka ny ahalalana azy. Raha ny hita dia ora vitsy taorian’ny nanaovan’ireto farany fanambarana mahakasika ny anaran’ny praiminisitra izay atolotr’izy ireo anefa dia voatendry ho amin’izany toerana izany ny Jly Jean Ravelonarivo izay voalaza fa natolotry ny PMP. Hatreto izany dia tsy fantatra marina ny anarana izay saika hatolotr’ireto vondrona Ambodivona ireto.  Raha ny resaka mandeha sy ny tomban’ny maro kosa anefa dia misy amin’izy ireo no mety ho lasa minisitra handrafitra ny Governemanta izay hitsangana eo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT