Nisy nitoraka « cocktail molotov » ny ekipan’ny depiote mpanohitra izay notarihan’ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa tetsy Ankatso omaly, rehefa avy nanao fanentanana ny mpianatra tao amin’ny Conaco Médecine sy DEGS, ka hihazo ny tokotany malalaka manoloana ny Esplanade.
Ny fiara nitondra ny fanamafisam-peo no nokendrena. Nisy nahazo ny horonantsary momba izany ary dia hita mivandravandra ireo nanao azy, izay ahiana ho misy misandoka ho mpianatra. Anisan’ireo azo sary ihany koa ny tovolahy iray efa nianatra tao amin’ny sampam-piofanana iray ao amin’ny Fakioliten’ny Siansa, saingy tsy hay na mbola mpianatra na tsia, fa efa fahita matetika amin’ny resaka grevy eny Ankatso kosa izy. Vao maraina dia efa nisy ny tsiliam-baovao avy amina mpianatra tsara sitrapo fa efa misy andian-jatovo voakarama hanakorontana eny an-toerana. Nisy ihany ny tovolahy iray nifanenjehana, ka voasambotra, saingy tsy hita aloha izay niafarany satria ny tolona nandeha ihany na teo aza ny fanakorontanana. Mandeha ny fikarohana azy ireo nanomboka omaly ihany ary miandahy miambavy ireo mpanakorontana ireo. Nisy antsy koa teny an-tanany. Mazava fa nisy nanakarama izy ireo, ary mivoaka ny feo fa 30 000 Ariary ny an’ny sasany no karama ho an’ny fanakorontanana. Efa fantapantatra ny olona ao ambadik’izy ireo dia ireo mpitari-tolona teo aloha teny Ankatso izay nokaramain’ny fitondrana ihany, raha ny loharanom-baovao akaiky ny depiote. Teny an-toerana kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, dia nampitandrina an-dry Berija sy Tendry, izay anisan’ny fantatra tamin’ny fitarihana hetsika teny Ankatso teo aloha. Niezaka nanome baiko ny hialan’ny mpitolona haingana teny amin’ny anjerimanontolo moa ny filoha lefitry ny oniversite sy ny tale kabinetra nandritra ny zava-niseho omaly teny Ankatso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.