Manamafy ny voalazan’ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenana ny Kaomisionina nasionaly momba ny zon’olombelona (CNIDH) fa eo am-pelatanan’ny vahoaka ny fiandrianam-pirenena, ny loharanon’ny fahefana,
izay homeny ny solontenany amin’ny alalan’ny fifidianana mivantana sy tsy mivantana na amin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka. Resy lahatra hatrany ny CNIDH fa mandrafitra ary fizorana any amin’ny fanamafisana orina ny demokrasia sy fahaiza-mitantana. Eo anatrehan’ny tsy fitoviam-pijery sy fifanolanana ary ny fanehoan-kevitra an-karihary na amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambajotra ara-tsosialy momba ny ahiahy amin’ny tsy fisian’ny mangarahara tamin’ny fihodinana faharoa ny 19 desambra, dia nanao antso avo ny CNIDH. Anisan’ny adidy iandraketany ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zo maha olona, kanefa dia manao antso avo amin’ny hisian’ny filaminana ho an’ny vahoaka sy ireo rehetra voakasiky ny fifidianana hiandry am-pitoniana ny valin’ny latsa-bato. Mba ho fanajana ny tany tan-dalàna, dia tsy maintsy mijoro amin’ny sata maha mahaleotena azy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’ny fijerena ireo fitoriana sy fifanolanana samihafa momba ny fifidianana mba ho tena azo itokisana sy eken’ny rehetra. 7 no voasambotra teny amin’ny 13 mey hatramin’ny nanombohan’ny hetsika raha ny loharanom-baovaon’ny CENIDH. Teo ihany koa ny naratra sy voatery naiditra hopitaly,… Miantso fitoniana noho izany ity kaomisionina ity mba hiaro ny zon’olombelona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.