Politique

Christine Razanamahasoa Ho kandida Ben’ny tanŕna ao Fianarantsoa I ?


  • Talata 05 Mey 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha. Ifaninana ny mirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna. Taorian’ny nanambaran’ireo kandida filoham-pirenena isany jeneraly Camille Vital sy Dr Jean Louis Robinson, fa hirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna ao Toliara I sy

Ampasikely – Amparafaravola dia re koa izao fa hirotsaka ao Fianarantsoa I ny solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana Razanamahasoa Christine. Tahotra ny ho very seza ka tsy ho hita tabilao raha tonga tokoa ny andrimpanjakana rehetra araka ny tolo-kevitry ny mpizaika nandritra ny fihaonambem-pirenena momba ny fampihavanam-pirenena notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 2 mey teo sa te hitsapa ny tanjany ara-politika fotsiny izao, ka mihevitra fa na sehatra inona na sehatra inona irotsahany dia voafidy hatrany satria mamim-bahoaka ? Na izany aza anefa ny safidin-dRazanamahasoa Christine ka nanosika azy ho amin’izany fifaninanana izany dia midika mazava fa nilavo lefona tanteraka tamin’ny tolon’ny Mapar tao Tsimbazaza tamin’ny nanilihana azy tsy ho filohan’ny Birao maharitra tao amin’ny Antenimieram-pirenena.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT