Politique

Christian Ntsay “Laharam-pahamehana ny fifidianana”


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Tontosa omaly alarobia 06 jona 2018 teny Mahazoarivo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha, Mahafaly Olivier Solonandrasana sy ny vaovao, Christian Ntsay.

Raha fehezina dia zava-droa loha no nambaran’ity farany hataony laharam-pahamehana dia ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena ary ny fanaovana laharam-pahamehana ny fanatontosana fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra ary tsy mivaona tamin’ny didy sy fanapahana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana farany teo na ny HCC. Nankasitraka ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, izay nanendry azy moa ny tenany fa nisaotra manokana ihany koa ny filohan’ny vondrona Mapar, Andry Rajoelina, izay nanolotra azy. Notolorany fisaorana manokana toy izany ihany koa ny filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, nanaiky ny fifanarahana politika napetraka. Diplaomatika tanteraka, raha fehezina, ny fanehoan-kevitra manontolon’ity praiminisitra ity ary nohamafisiny moa fa tsy noho ny aminy no nanekeny ny handray ny toerana maha praiminisitra fa ho tombontsoam-pirenena. Praiminisitry ny marimaritra iraisana no notakiana, hoy izy, ary hiezaka ho izany aho araka ny fisaorana nataoko tamin’ireo filoha marobe teo.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT