Politique

CFM Zava-dehibe ny fananana etika politika…


  • Talata 04 Septambra 2018

Fampielezan-kevitra indray no hahoraka manerana ny tanàna afaka iray volana mahery. Hitety an`i Madagasikara ireo kandidà 36 amin`ny fifidianana filoham-pirenena mba handresy lahatra ny Malagasy mpifidy amin`izay paikadiny amin`ny fampandrosoana ny firenena.

 

Mba hisorohana izay mety hiteraka lonilony sy ratram-po eo amin`ny samy mpifaninana na koa fanaovana teny mandratra mandritra ny propagandy dia namolavola dinam-pifanarahana na “dina ara-pitsipi-pitondrantena sy fahitsiana ho an`ireo mpilatsaka hofidiana, ho fitoniana amin`ny fifidianana filoham-pirenena” ireo andry sy rafitra ara-panjakana ary fikambanana eo anivon`ny fiarahamonim-pirenena toy ny CFM, CENI, FANDIO, SAMIFIN… Zava-dehibe ny fifanarahana ary tsy maintsy mialoha ny fampielezan-kevitra io o sata ho amin`ny fitoniana io no hotanterahina, hoy i Maka Alphonse, filohan`ny CFM. Tokony ho hita ao anatin`ny fampielezan-kevitra fa lalao anatin`ny firahalahiana no hanatanterahana ny fifidianana fa tsy hifandrafy sy ho mpifahavalo ka tsy hanaiky izay resy eo. Rehefa mazava ny fitsipi-dalao amin`ny fifidianana, tsy tokony hampimenomenona sy hitroatra rehefa avy eo ireo mpifanandrina, hoy hatrany ny fanazavana. Hampahafantarina ireo kandidà 36 ny dinam-pifanarahana izany ary hiara-kidinika amin`izy ireo ny komity ny amin`ny foto-kevi-dehibe nanaovana azy. Na hisy ny tsy hanaiky hiara-kanao sonia amin`ny hafa dia zava-dehibe ny fananana etika politika. Manana andraikitra moraly amin`izany ireo kandidà hiditra ao anatin`ny fifidianana ary izay olona hitondra fanjakana dia raiamandreny, mandala ny soatoavina Malagasy. Omen`ny lalàna fahefana hanara-maso ny fizotran`ny fifidianana ireo olom-pirenena, indrindra ny kandidà sy ny mpomba azy, hoy hatrany ny filohan`ny CFM. Mipetraka ny ahiahy amin`io, hohajaina ve ? Inona ny fepetra ho raisina raha misy fiantsiana, indrindra amin`ny tambajotran-tserasera ? Misy ihany koa amin`ireo kandidà efa zatra tsy manara-dalàna sy mihevi-tena ho ambonin`ny lalàna. Ity dina ity anefa dia tsy ao anatin`ny lalàna fa eo amin`ny lafiny moraly toy ny soatoavina maha Malagasy, ny fifanajana… Tsy misy, araka izany, hery mpanatanteraka sady tsy misy ny sazy na fepetra raisina ho an`ireo izay minia mandika izay harakitra ao anatin`ny dinam-pifanarahana. Manantena ny etika politikan`ireo mpilatsaka ny komity iombonana ho an`ny dinam-pifidianana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT