Samy miandrandra ny didy manodidina ny fifidianana havoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny Malagasy.
Tsikaritra aloha fa mizarazara ny hevitra na eo amin’ny samy mpanao politika na eo anivon’ny samy olom-pirenena tsotra. Ao ireo miandrandra ny hirosoana amin’ny fihodinana faharoa. Misy anefa ireo izay mangataka famerenana ny fanisam-bato sy ny fikirakirana ny vokatra azo avy any anivon’ny biraom-pifidianana isan-karazany rehetra tany. Ao ireo mitaky tsotr`izao ny fanafoanana ny fifidianana sy ny hamerenana azy. Manoloana izany rehetra izany, tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin`ny fahendrena Malagasy, hoy ny komitin`ny fampihavanam-pirenena Malagasy (CFM). Mifanatona sy mifandinika ary mikatsaka vahaolana mba hisorohana ny herisetra izay mety hitondra any amin’ny fifandonana sy ny ady ary hitarika krizy sy hamotika ny olombelona indray. Manentana ny tsirairay ny CFM mba tsy hisy hampiasa herisetra na amin’ny alalan’ny teny na ny atao na ny fihetsika na koa hampiasa olona na fitaovana ho an’izany fa mba samy hiandry am-pitoniana ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ny HCC mikasika ireo voka-pifidianana vonjimaika nampitain’ny vaomieram-pirenena mikarakara ny fifidianana (CENI). Firenena miaina ao anatin`ny fanajana sy ny fahamarinana no katsahina hatrany ka tokony ho samy haka ny andraikiny mifanandrify amin`izany ny tsirairay, hoy hatrany ny eo anivon`ny CFM. Araka izany, maniry ity rafi-panjakana ity mba tsy ho fifidianana natao hitondra fanapotehan’ny firenena indray fa ho fanoitra ho an’ny fanandratana ny firenena sy hitondra fivoarana marina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.