Tsy mbola nandray ny taratasy filatsahan-kofidiana ny OVEC sy ny CENIT omaly. Noho ny antony ara-teknika, hono, no antony araka ny fanazavana voaray. 72 ora aorian’ny nametrahan’ny kandida mpilatsaka hofidiana ny taratasiny dia tsy maintsy mamaly ny Ovec sy ny Cenit na azo raisina na tsia ny filatsahan-kofidiana an’ilay olona.
Mba hialana amin’ny olana eo amin’izay fe-potoana izay no anton’ny tsy mbola nandraisana ny taratasin’ireo kandida omaly. Ireo prefen’ny polisy isaky ny renivohitry ny faritra 22 izay mbola hotendrena mandritry ny filankevitry ny minisitra moa no tokony hamoaka ny didy mamaritra ny isan’ireo mpanolotsaina kaominaly raha tsy misy ny fiovana. Aorian’izay vao tokony harotsaka ny taratasy filatsahan-kofidiana. Mbola daty natolotra ho fandaminan-dresaka fotsiny izany ny fanokafana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho amin’ny 8 aprily. Mba ho fanomanana ny fandraisana ireo taratasin’ny kandida any amin’ny faritra kosa dia efa misy ireo avy ao amin’ny Cenit midina any an-toerana miezaka mampahafantatra amin’ireo mpitarika antoko sy kandida izay tokony ho fantatra. Ho an’ny faritra Analamanga dia mbola fangataham-panazavana no tena anton-dian’ireo kandida teny amin’ny Ovec Analamanga. Ho an’ny teto amin’ny foiben’ny Cenit moa dia tsy nahazoana fanazavana tamin’ny 2 ora sy sasany omaly tolakandro na dia teo daholo aza ireo sekretera sy ny tompon’andraikitry ny asa ara-pitsarana fa mbola miandry ny tompon’andraikitra iray izay mbola matory, hono, satria izy irery ihany no afaka miresaka amin’ny mpanao gazety.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.