Politique

CENI vaovao Mila mahaleotena fa tsy saribakoly fotsiny


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Namaky lay ny atrikasa fakan-kevitra amin’ny fananganana ilay rafitra misahana ny fifidianana vaovao eto Madagasikara omaly teny Antaninarenina ireo fikambanana samihafa avy amin’ny fiarahamonim-pirenena.

 

 


 

 Nizara ho vaomiera efatra moa ireo mpiantsehatra, araka ny toromariky ny minisiteran’ny Atitany. Tao ny kaomisionina momba ny firafitra, ny andraikitra, ny fandaminana amin’ny ankapobeny ary ny fomba fiasa eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tena tsy hita taratra ilay fahaleovantenan’ny Cenit teo amin’ny fikarakarana ny fifidianana nanomboka tamin’ny taona 2010 hatramin’ny taona 2015, araka ny fanamarihana iombonana avy amin’ireo mpandray anjara. Hoy indrindra izy ireo hoe :

*Andriamanantsoa Philibert, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany : «Efa misy ny antontan-kevitr’ireo fifidianana hatramin’ny taona 2010 ao amin’ny minisiteran’ny Atitany. Mahafantatra tsara ireo lesoka samihafa ary manana traikefa ihany koa ry zareo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena izay sady tao anatin’ny Cenit no nanara-maso ny fifidianana».

*Rabenarivo Sahondra, mpikambana ao amin’ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena : «Ilaina ny fanaovana tombana mialoha ny handrafetana ilay lalàna fananganana ny Ceni. Tsara ny fanomanana ara-teknika nosahanin’ny Cenit amin’ny ankapobeny. Lesoka kosa ny fiankinan-doha be loatra tamin’ny Pnud, ny antoko politika ary ny fitondrana niaraka tamin’ny tsy fahampian’ny fanabeazana ny mpifidy. Fanatsarana ny lalàna no tokony hatao fa tsy manova be fahatany».

*Rakotoarison Bruno, mpikambana ao amin’ny Vondrona manampahaizana nasionaly : «Olana goavana ny fiankinana be loatra tamin’ny resaka ara-bola sy fampitaovana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Teo ihany koa ny tsindry amin’ny fanatanterahana ny asa avy amin’ny mpitondra fanjakana. Nisy akony tamin’ny vokatra nandrasana izy ireny. Tsy tokony hisaraka amin’ny lalàm-pifidianana ny fomba handrafetana ny Ceni».

*Razafindrabe Ernest, filoha nasionalin’ny Kmf/Cnoe : «Ilaina ny lalàna mazava mamaritra ny fanatontosan’ny Ceni ny asany an-kalalahana ao anatin’ny fahaleovantena tanteraka. Anisan’izany ny tsy fiankinan-doha amin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fifidianana. Tanjona ny fananana vina tsy fiandaniana izay midika ho fahavitan-tena ara-pitantanana sy ara-bola».

Anjaran’ireo antoko politika indray moa no mandroso soso-kevitra amin’io herinandro ambony io, araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny minisitera mpiahy.

  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT