Taorian’ny nanendrena ny Praiminisitra vaovao ny Jeneraly Jean Ravelonarivo dia nitsangana ny governemanta, ka voatendry ho minisitry ny raharaham-bahiny ramatoa Atallah Béatrice, izy moa aza tsy mbola teto an-toerana fa namita iraka tany Kaomaoro, nitarika ny mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny Frankôfônia.
Tapitra ny fetr’andro
Tsy tafody teto akory izy, ary raha tsy mbola vita ny famindram-pahefana teo aminy sy Ramatoa Razafitrimo Lala Arisoa, minisitra teo aloha, dia efa lasa nanaraka ny Filoham-pirenena tany Addis-Abeba niatrika ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina. Rehefa nanontaniana moa izy nandritry ny famindram-pahefany tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, dia nilaza fa tsy Filohan’ny CENI-T intsony ary tsy maintsy hamita ny famindram-pahefana, indrindra ny resa-bola izay notantaniny tao amin’ny CENI-T. Hatreto aloha dia tsy nisy filazana ofisialy fa vita izay famindram-pahefana izay. Ka mbola Filohan’ny CENI-T ihany ary ve izany ramatoa Atallah Beatrice, izay fantatry ny maro fa efa mpanolotsainan’ny Filoham-pirenena ankehitiny, fony ity farany, mbola minisitry ny vola ? Ny lalàmpanorenana anefa mazava tsara fa tsy mahazo mitana andraikitra hafa ireo rehetra voatendry ho minisitra.
Raha hiverenana anefa ny mikasika ny Vaomiera manokana momba ny fifidianana dia ny lalàm-pifidianana no nanangana azy, ka rehefa tonga ny fifanarahana politika ka nipoitra ny Tondrozotra, dia nampiditra ireo solontenan’antoko izay nanao sonia ny Tondrozotra ho mpikambana ao anatiny. Nofaritana tao ihany koa ireo Fifidianana hiandraiketany, dia ny Fifidianana Filoham-pirenena, ny Solombavambahoaka ary ny Fifidianana ireo Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ao aminy. Nisy moa lalàna faha 2012-004 tamin’ny taona 2012, izay nanangana ny CENI-T, izay mamariparitra momba ny asany sy ny sokajin’olona mandrafitra azy. Ny Filohan’ny CENI-T moa dia voalazan’io lalàna io fa fidian’ireo mpikambana ao anatin’io vaomiera momba ny Fifidianana io ihany, ka mety olona efa natolotr’ireto efa mpikambana na olona avy aty ivelany mihitsy izay manampahaizana manokana momba izany Fifidianana izany. Izay hita tamin-dRtoa Atallah Béatrice moa izany, satria olona avy aty ivelan’ny mpikambana izy no nofidiana.
Etsy an-kilany anefa ny andininy faha-32 amin’io lalàna mifehy ny CENI-T io dia milaza mazava fa tapitra ny fetr’andron’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny Vaomiera momba ny Fifidianana rehefa tapitra ny Tetezamita. Voafidy izao ny Filoham-pirenena vaovao, izy aza moa nilaza teny Iavoloha nandritra ny fankalazany ny tsingeritaona voalohany naha Filoha azy, no sady nananganany ny governemanta vaovao tarihin’ny Jeneraly Jean Ravelonarivo, fa fahotana ve ny mitazona ilay soratra kely T, izay midika hoe Tetezamita raha mbola mahavita ny mpikambana amin’izao ?
Misy ketrika hafa ?
Fa ny fanontaniana lehibe mipetraka izany dia ny hoe mbola ara-dalàna ve izany ny fijoroan’io CENI-T io, izay hikarakara ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina afaka 150 andro mahery, ny 17 jolay 2015 araky ny tetiandro napetraky ny CENI-T, nefa ireo vondrona politika nanao sonia ny Tondrozotra aza betsaka no tsy fantatra anarana intsony, no tsy mijoro ara-panjakana, tsy nanolotra olona tamin’ny fifidianana rehetra, ary tsy manana na solombavambahoaka iray akory aza ny ankamaroany ? Mipetraka ihany koa ny hoe : biby tsy manan-doha ary ve ny CENI-T satria ramatoa Atallah Béatrice dia tsy afaka ny ho Filohan’izany vaomiera momba ny Fifidianana izany intsony, nefa mazava ny voalazan’ny andininy faha-42 mifehy ny CENI-T fa raha misy ny fialana na fahabangan-toeran’ny Filohan’ny CENI-T dia ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra no mitantana vonjimaika ny raharaha, fa tsy maintsy miroso amin’ny fanoloana ny Filohan’ny CENI-T ao anatin’ny 30 andro aorian’ny fahabangan-toerana.
Voalazan’io lalàna io ihany fa tsy ilaina ny manolo izany Filoha izany raha ho rava ao anatin’ny 90 andro ny CENI-T. Nefa raha ny tetiandro hanaovana ny Fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, izay asa farany ampanaovin’ny Tondrozotra ny CENI-T, dia mbola misy 150 andro raha tazonina ny datin’ny Fifidianana 17 jolay 2015. Ka mbola mitohy ao anatin’ny Tetezamita ary ve izany isika ? Tsy mbola tapitra mantsy ny fetr’andron’ireo mpikambana. Sady Filohan’ny CENI-T no minisitry ny raharaham-bahiny ve ramatoa Atallah Béatrice ? Sa ve dia ho hitsakitsahina indray ny lalàna, toy ny adihevitra mbola mitohy any amin’ny HCC ny fomba nanendrena ny Praiminisitra, ka na teren’ny lalàna hosoloina ao anatin’ny 30 andro aza ny Filoha vaovaon’ny CENI-T dia mbola ny Zokiolona foana no mitantana, na tsy nisy famindram-pahefana nolazaina imasom-bahoaka aza. Sa misy ketrika hafa tsy takatry ny maro fa avo lenta ary ao ?
Jean D.
Atallah Béatrice
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.