Iray volana aty aorian’ny nanendrena ny filohan’ny Vaomiera manokana momba ny fifidianana (CENI-T) teo aloha, Atallah Béatrice ho minisitry ny raharaham-bahiny ao amin’ny governemanta Ravelonarivo Jean
, vao tontosa ny famindram-pahefana teo aminy sy ny mpanidimby toerana azy vonjimaika amin’ny fitantanana ity andrim-panjakana najoro hisahana ny fifidianana eto Madagasikara ity, dia ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra tao, Ralaiariliva Ndriana Mamy. Niverimberina tamin’ny lahatenin-dRtoa Atallah Béatrice omaly, ny hoe “filoha vonjimaika” raha nitodika tamin’ny olona namindrany fahefana izy. Midika izany fa mandalo tetezamita ny CENI-T mandra-pisy filoha ara-dalàna.
Tsy azo ihodivirana
Mazava ny voalazan’ny andininy faha-42 amin’ny lalàna 2012-004 tamin’ny taona 2012 mifehy ny CENI-T fa raha misy ny fialana na fahabangan-toeran’ny Filohan’ny CENI-T dia ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra no mitantana vonjimaika ny raharaha, fa tsy maintsy miroso amin’ny fanoloana ny Filohan’ny CENI-T kosa ao anatin’ny 30 andro aorian’ny fahabangan-toerana. Misy rahateo io fahabangan-toeran’ny filohan’ny CENI-T io vao nanaiky ho minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Atallah Béatrice. Andraikitra tsy azo ampivadiana mantsy ny maha filohan’ny CENI-T sy ny maha minisitra.
Voalazan’io lalàna io ihany fa tsy ilaina ny manolo izany Filoha izany raha ho rava ao anatin’ny 90 andro, aorian’io fahabangan-toerana io, ny CENI-T. Nefa raha ny tetiandro hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina dia mbola misy 100 andro mahery raha tazonina ny datin’ny Fifidianana 17 jolay 2015. Tsy azo ihodivirana araka izany ny hanaovana antso firotsahan-kofidiana (appel d’offre) ho filohan’ny CENI-T. Ny Filohan’ny CENI-T moa dia voalazan’io lalàna 2012-004 tamin’ny taona 2012 io fa fidian’ireo mpikambana ao anatiny ka mety olona efa natolotr’ireto efa mpikambana na olona avy aty ivelany mihitsy izay manampahaizana manokana momba izany Fifidianana izany. Aorian’ny fifidianan’ny samy mpikambana ao anatiny vao hanana filoha ara-dalàna ity rafitra ity, fa dia miaina tetezamita aloha ny CENI-T mandra-pahavita izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.