Politique

CENI-T Ambonin’ny lalŕna indray koa ?


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Nanaitra ny maro ny nahita sy nandre tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery omaly, fa manohy ny asan’ny filohan’ny CENI-T mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan’ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ity ny zokiolona amin’ny filoha lefitra nandimby toerana azy vonjimaika, taorian’ny

 

nanendrena ny filoha teo aloha, Atallah Béatrice ho minisitry ny raharaham-bahiny. Mba tsy hanohintohinana ny zotram-pifidianana efa voafaritra, hono, no nandraisan’ny CENI-T izany fanapahan-kevitra izany. Mazava anefa ny voalazan’ny lalàna 2012-004 tamin’ny taona 2012 mifehy ny CENI-T ao amin’ny andininy faha-42 fa raha misy ny fialana na fahabangan-toeran’ny Filohan’ny CENI-T dia mitantan-draharaha vonjimaika ihany ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra, fa tsy maintsy miroso amin’ny fanoloana ny Filohan’ny CENI-T kosa ao anatin’ny 30 andro aorian’ny fahabangan-toerana. Misy rahateo io fahabangan-toeran’ny filohan’ny CENI-T io vao nanaiky ho minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Atallah Béatrice. Voalazan’io lalàna io ihany fa tsy ilaina ny manolo izany Filoha izany raha ho rava ao anatin’ny 90 andro, aorian’io fahabangan-toerana io, ny CENI-T. Nefa raha ny tetiandro hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina dia mbola amin’ny 17 jolay 2015, izany hoe mihoatra ny 90 andro raha tazomina io daty io. Tsy azo ihodivirana, araka izany, ny hanaovana antso firotsahan-kofidiana (appel d’offre) ho filohan’ny CENI-T. Sa efa lasa ambonin’ny lalàna indray izao ny fanapahana raisin’ny CENI-T, ka hoe tsy hiala aho ? Sa efa lasa mpanao lalàna koa izao ny CENI-T ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT