Politique

CENI SY NY ECES Hiara-kiasa hanatanteraka fifidianana milamina


  • Alarobia 23 Mey 2018

Mbola azo tanterahina tsara amin’ity taona 2018 ity ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana Atoa Hery Rakotoarimanana na dia izao aza no zava-misy eto amin’ny firenena.

  Vonona amin’ny fiatrehana izy ireo, antony nanekeny hiara-kiasa amin’ny  ECES (  Centre Européen d’appui  electoral)  izay vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola. Tontosa omaly talata 22 mey  teny Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa mifandraika amin’izany teto amin’ny roa tonta.  Tanjona amin’izao fifanomezan-tanan’ny  roa tonta  izao ny mba hahafahana mikaroka  fitoniana mialoha sy mandritry ny fifidianana raha eo ihany koa ny fanaovana fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. Ho an’ny ECES manokana dia ny fanomezam-baovao sy ny dinika rehetra momba ny fikatsahana ny filaminana sy fandriampahalemana mialoha sy mandritry ny fifidianana no tena imasoany. Haharitra  20 volana  ny fiaraha-miasa ka ireo faritany enina ahitana faritra 22  dia samy ho voakasika avokoa. Mikasika ny fampihavanana ireo mpanao pôlitika manokana moa dia nanambara ny filohan’ny CENI fa tsy mpampihavana izy ireo saingy na izany aza dia hiezaka hifanatona amin’ireo politika ihany  hahafahana miroso mankany amin’ny fifidianana tena izy sy eken’ny rehetra.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT