Tsy mbola misy sori-dalana mazava hivoahan`i Madagasikara amin`ny krizy politika mitranga amin`izao fotoana.
Taorian`ny namoahan`ny CENI ireo tolo-kevitra miisa telo momba ny datim-pifidianana ny talata lasa teo dia namory ireo antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny rafi-panjakana misehatra mivantana amin`ny fifidianana, ireo orinasan-gazety ary fikambanana samihafa tetsy Antaninarenina omaly ity rafi-panjakana misahana ny fifidianana ity. Mba hialan`ny ahiahy tsy hihavanana dia nanapa-kevitra ny CENI hahafahany manafaingana ny fanapahan-kevitry ny governemanta mahakasika ny fifidianana. Manomboka manao tsindry amin`ny fitondrana foibe ny CENI ankehitriny ny amin`ny famoahana didy fampiharana ny datim-pifidianana, rehefa namoaka fanapahan-kevitra mikasika ireo lalàm-pifidianana miisa telo ny teo anivon`ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mazava sady mahitsy ny tenin`ny filohan`ny CENI mahakasika ny fitakiany ny mba hamoahana ny lalàm-pifidianana hatramin`ny 31 mey ho avy izao raha tiana ny hisian`ny fifidianana amin`ity taona 2018 ity. Antony, io no fetra farany zakan`ny CENI amin`ny fanomanana fifidianana amin`ny faran`ny taona. Nohamafisin’Atoa Hery Rakotomanana fa raha tiana ny hisian’ny fifidianana amin`ity taona ity dia mila matotra satria kely sisa ny fotoana hanomanana nefa ny lalàm-pifidianana tsy mbola milamina ary tsy mbola mitovy hevitra ihany koa ireo mpisehatra amin`ny fifidianana. Nandritra ny fihaonana dia nafana ny adihevitra ary nizara roa mazava ny hevitr`ireo mpanao politika mikasika ireo soso-kevitra naroson`ny CENI. Ireo mpanao politika manohitra ny fitondrana dia mirona mankany amin`ny fifidianana mialoha ny fotoana, izany hoe amin`ny 29 aogositra 2018 nambaran`ny CENI. Ireo mpomba an`ny fitondrana kosa dia mametraka ny fifidianana filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha-47 amin'ny lalàmpanorenana dia ny alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany. Samy tsy misy miandany ny fanemorana ny fifidianana ho amin`ny taona 2019 kosa ny roa tonta. Ireo fiarahamonim-pirenena moa dia mitaky ny handraisany anjara amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ihany koa. Raha ny fanazavana azo teo anivon`ny CENI dia tsy handraisana fanapahan-kevitra ity fakan-kevitra omaly ity. Nanomboka ny 21 aprily, tohivakana ireo fanelanelana ataon`ireo sehatra samihafa eto amin`ny firenena sy hatrany ivelany eo amin`ireo mpifanandrina roa tonta saingy tsy mbola nahitana mangirana hatramin`izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.