Politique

CENI Manamboatra trano no mahaseriny azy


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Mbola safotofoto sy mahabe adihevitra ny fanatanterahana ny fifidianana kendrena hangarahara, atokisana,

 

 

 andraisan’ny rehetra anjara. Ny hanamboatra trano vaovao, ho birao fiasany any Ambatondrazaka anefa no ihazakazahana sy mahaseriny ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na CENI. Trano be mirefy 15mx12m no hamboarina ary ahitana efitra enina. “Santatry ny mbola hotanterahina any amin’ny Faritra hafa io”, hoy i Hery Rakotomanana filohan’ny CENI nandritra ny hady fototra nisantarana ny asa ny sabotsy 1 septambra teo. Haharitra sivifolo andro ny faharetan’ny asa fanamboarana, handaniana vola hatrany amin’ny 200 tapitrisa Ariary eo. Tsy nambara kosa ny loharanon’ny famatsiam-bola. Ny fantatra dia ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka no nanolotra ny tany. Nanambara ny filohan’ny CENI fa tokony ho filamatra amin’ny fomba fiasa ireo tompon’andraikitra any Ambatondrazaka satria sarotra ny niady ny mba hananganana io trano voalohany io, hoy izy.

Jean D.                                                                                       

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT