Politique

CENI Madagasikara Nanome torimarika farany ho an'ireo kandidà


  • Talata 06 Novambra 2018

Nanao tatitra tamin'ireo solontenan'ny kandidà ho filoham-pirenena ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mahakasika ny fizotran'ny fifidianana, izay hotanterahina rahampitso 7 novambra ny fihodinana voalohany.

 

 

 

Niompana tamin' ny fitaovana hampiasaina mandritra izany fifidianana izany ny tatitra teo amin'ny tapany voalohany. Marihina tokoa mantsy fa niharan’ny fanafihana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana iray tany Maintirano, ka lasan'ireo olona ratsy ny fitaovana tao an-toerana. Nanamafy ny teo anivon'ny CENI Madagascar fa efa voavaha ny olana ary izany indrindra no antom-pisian'ny biletà tokana fiandry. Teo ihany koa ny tatitra mahakasika ny fombafomba rehetra hitaterana ny voka-pifidianana, na "Methode de collecte de resultat". Nohazavain'ny CENI tamin’izy ireo io dingana hitaterana vokatra io, satria mpikambana eo anivon'ity rafi-panjakana ity ireto solontenan'ny kandidà ireto. Eo ihany koa ny fomba handaminana ny "soirée électorale". Fivoriambe farany niaraka tamin'ireo solontenan'ny kandidà ny omaly ary sehatra hanehoan'izy ireo izay zavatra hitany nandritra ny fampielezan-kevitra ka tokony hohavaozina sy hamboarina ao anatin' ny 48 ora (ndlr : nanomboka omaly).

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT