Politique

CENI Madagasikara Ahiana tsy hanao fihodinana faharoa


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Na nanda ho tsy nandray volabe aza ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI dia sarotra ny hino fa tsy hisavovona ny dosie fitoriana ity rafitra ity hiakatra eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mandra-pahatapitr’ireo 5 andro ahafahana mitory azy aorian’ny 20 novambra izao.

 

Tsy nisy izay tsy niaiky fa nihanjahanja loatra ireo hosoka nitranga nandritry ny fotoam-pifidianana iraimanontolo mihitsy fa tsy ny andron’ny 7 novambra irery ihany. Tsy tomombana avokoa na ny nialoha na nandritra na izao fotoana taorian’ny fifidianana izao. Famelana malalaka fampielezan-kevitra nialoha ny fotoana, tsy fanaraha-maso ny toe-bola nampiasain’ireo kandida nanaovana propagandy, resaka bileta voamarika mialoha, fampielezankevitra anaty fotoam-pifidianana, indrindra tamin’ireo toerana ambanivohitra, famadihana vokatra kandida, ahiahy maro mikasika fisiana vata-fandrotsaham-bato nampifamadihana, sy ny hafa marobe dia azo lazaina ho mbola santionany ihany tamin’ny resaka fitavozavozana sy fanaovan’ny CENI kitoatoa ny asany. Mampiahiahy ihany koa ny resaka fisiana kolikoly avo lenta. Tsy ho vitavita moramora, araka izany, raha ny fanombanana azy aloha ny mikasika ny CENI sy ny fihodinana voalohany tamin’ity fifidianana filoham-pirenena ity. Ahiana aza, raha izao fandehan-draharaha izao, indrindra, taorian’ny fanakianana mivaivain’ny vondrona eoropeanina ny tsy hikarakaran’ity CENI amin’ny endriny ankehitriny ity intsony ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT