Politique

CENI Madagascar “Tsy nitanila izany izahay”


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Navoakan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny sabotsy 17 novambra 2018 teo teny amin’ny foibeny Alarobia ny voka-pifidianana vonjimaika mifandraika amin’ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny alarobia 7 novambra 2018.

 

 

Nialoha ny fanambarana moa dia nisy ny kabary nataon’ny filohan’ity vaomiera ity, Hery Rakotomanana, ho fanazavana ny sain’ny rehetra. Nohamafisiny fa nisafidy ny hifototra amina zavatra miisa 3 ny CENI nandritry ny fikarakarana iny fihodinana voalohany ho filoham-pirenena iny dia ny fangaraharana, ny tsy fitanilana ary ny fahaleovantena. Ny mangarahara no tena nimasoanay, hoy izy. Ohatra nomeny nentina nanaporofoana izany ny nanehoana ampahibemaso ny fafana fikirakiran’ity vaomiera ity ireo vokatra rehefa nampiahiahy ny maro. Teo ihany koa ny fanehoana ampahibemaso ny fampitahana ny lisitra sy ny vokatra. Tapaka sy namana, raiamandreny avokoa ireo kandida ary tsy nandalo tao an-tsainay 9 mianadahy mihitsy ny hitanila amin’iza na amin’iza. Nohamafisin’ny CENI fa tsy nandray baiko ivelan’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery izy ireo.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT