Politique

CENI Madagascar Tsy mbola mahazo miala sasatra…


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Tsy maintsy hiditra amin`ny fifidianana isan-karazany ny firenena amin`ity taona ity ary tsy maintsy raisina ny lesona tamin`ireny fanomanana sy fandehan`ny fifidianana ireny.

 

 

Ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) no tompon’andraikitra voalohany amin`ny lesoka fakana lesona izay tokony harenina haingana, indrindra ny fifidianana solombavambahoaka sy ben`ny tanàna. Ho an’ny CENI dia efa noraisin’izy ireo ny fepetra rehetra, ahafahan’ireo kandidà manara-maso sy  mampitaha ny vokatra raha toa misy ny tsy mazava. Nilaza hatrany ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa mipetraka hatrany ny fangaraharan’ny fifidianana, ary nohatsaraina ny fomba fiasa.  Maro anefa ireo fitarainana sy tsy fahatomombanana nitranga nandritra ny fifidianana teo, ary porofon’izany ny fitarainan’ny kandidà laharana faha-25. Raha tsiahivina, nametraka tetiandro tamin`ny 17 desambra 2018 ny CENI amin`ny tokony hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin`ny 20 martsa ho avy izao saingy ny lalàmpanorenana dia mamaritra ny tetiandro amin`ny alalan`ny didim-panjakana, ka 90 andro mialoha ny fifidianana no tokony hamoaka ny datim-pifidianana ny governemanta ka ao anatin`izay ny famaritana ny isan`ireo solombavambahoaka ao anatin`ny fari-pifidianana, ny daty marina… Lesoka iray ihany koa ny fifidianana ao anatin`ny vanim-potoana fahavaratra satria mampihena ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy kanefa ny fifidianana depiote sy ben`ny tanàna dia “fifidianana  ifotony” (vote de proximitè) ka tokony hisy fahavitrihana feno avy amin`ny vahoaka. Ny hirariana dia samy hotsarain’ny tantara avokoa ireo izay mikendry ny handatsaka ny firenena any an-kady, amin’ny alalan’ny fanaovan-dratsy saingy misy lesona tsy maintsy tsoahana tamin`ny fifidianana, indrindra ho fikatsahana ny tombontsoam-pirenena.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT