Politique

CENI Madagascar Tsy manana fahefana hamono vato


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Naha be resaka ny besinimaro ihany koa ny fisian`ireo biraom-pifidianana misy tsy fetezany (B.V anomalie) sy ny birao fandatsaham-bato nofoanana mihitsy (B.V annulè).

 

 

  Nitondra fanazavana mahakasika izany ny filoha lefitry ny vaomiera misahana ny fifidianana, Thierry Rakotonarivo ka nilazany fa tsy anjara ary tsy fahefan`ny CENI no manafoana vato na vokatra amina biraom-pifidianana na misy aza ireo birao nahitana tsy fetezana sy miandry fanamarinana farany. Nomarihany fa tsy afaka mikitika na manova ny “P.V” nataon`ireo mpikambana eny anivon`ny birao fandatsaham-bato ny CENI fa kosa manao fanamarihana matotra raha misy tsy fahatomombanana “anomalie”. Ny CENI tsy afaka mamono vato. Raha misy dia miainga avy amin’ny tatitra alefan`izy ireo  any amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no andraisan`ity farany fanapahan-kevitra na ho faty na araka izay fanapahana noraisin`ny biraom-pifidianana. Nohamafisin`i Thierry Rakotonarivo ny fomba fiasan`izy ireo amin`ny fanangonana voka-pifidianana amin`izao fotoana dia ny fanombohana amin`ny tatitra avy amin`ny rantsana mangaikan`ny CENI eny anivon`ny distrika mandra-piandry ny vokatra avy eny anivon`ny SRMV(Section de Recensement de Materiel de Vote), izany hoe avy amin`ireo birao fandatsaham-bato. Anisan`ny mampiahiahy ny mpisehatra samihafa sy ireo olom-pirenena ny mety tsy hahatongavan`ny vokatra eny amin`ny SRMV ao anatin`ny fetrandro voatondron`ny lalàna ka tsy hampanan-kery ireo vato avy amin`ny biraom-pifidianana samihafa izay tsy maintsy hambara ho vato maty ka hisy fiantraikany amin`ny voka-pifidianana omen`ny CENI sy izay mety ho navoakan`ireo foiben-toeran`ireo kandidà. Mitohy hatrany ny asa ary nampanantena ny eo anivon`ity vaomieram-pirenena ity fa ny 20 novambra ho avy izao ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika avy aminy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT