Niroso tamin`ny sehatra nifampidinihana voalohany amin'ity taona 2019 ity, ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ireo mpisehatra amin'ny fifidianana toy ny fiarahamonim-pirenena, antoko politika, orinasan-gazety.
Niresahana momba ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na RALE (Révision Annuelle de la Liste Electorale) ka nanambara ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana, miteraka fahasahiranana ny fikirakirana an-tanana ny lisi-pifidianana. Tokony hiroso amin`ny fidirana amin`ny lisitra biometrika mba hanana lisi-pifidianana matotra, hoy izy. Manamafy hatrany kosa ny CENI fa ny fananana lisi-pifidianana azo antoka dia miankina amin'ny fandraisana andraikitry ny tsirairay izay feno 18 taona no ho mihoatra- ho vonona hanitsy eny ifotony ny fahadisoana ao anaty lisi-pifidianana, miaraka amin'ireo fiarahamonim-pirenena sy antoko politika izay samy tokony ho ao anatin'ilay komity isam-pokontany miandraikitra ny fanisana ny mpifidy na ny CLRE (Comité Local de Recensement des Electeurs), indrindra ny fahavononan'ny rehetra hiara-miasa amin'ny CENI ao anatin'izany. Isan'ireo fanakianana sy fanamarihana miverimberina ny fisian'ny anarana miverimberina ao anaty lisi-pifidianana (doublons), ny fahadisoana eo amin'ny soratra, ny fisian'ny olona efa maty misoratra anaty lisitra). Raisin'ny CENI avokoa ireny fanakianana ireny ary ampiasaina hanitsiana sy hanatsarana ny fomba fiasa, ato anatin'ny fotoana fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana rahateo isika amin'izao. Tsiahivina moa fa ny 01 desambra lasa teo no efa nisokatra ny lisi-pifidanana ary hofaranana vonjimaika ny 28 febroary ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.