Politique

CENI Madagascar Miantso ireo ka ndidà tsy hamoaka voka-pifidianana


  • Zoma 09 Novambra 2018

Manoloana ny famoahana vokatra miainga avy amin`ny foiben`ireo kandidà izay tena miteraka resabe dia nanao antso avo ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana.

 

 

Araka ny lalàna, ity vaomieram-pirenena ity ihany no mahazo mamoaka voka-pifidianana vonjimaika.  Mailo hatrany ny CENI Madagascar satria raha manao ny azony atao ireo QG isanisany dia ahiana hiteraka savorovoro amin`ny saim-bahoaka. Maka fotoana amin`ny fahafahana manamarina in-droa hamarinana amin`ny alalan’ireo antontan-taratasy telo samihafa vao mamoaka voka-pifidianana. Miangavy an`ireo kandidà sy ireo mpomba azy mba ho tony, hiandry ny valim-pifidianana havoakan`ity rafi-panjakana misahana ny fifidianana ity amin`ny 20 novambra ho avy izao na mialoha izay, havoakan`ny “tendance” araka izay azo atao. Manantena ny CENI Madagascar fa tia filaminana ny rehetra ary mety hafanam-po ny tamin`ny androm-pififidianana fa mba samy ho tony hiandry izay vokatra eo.

 

 

 

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT