Nanao antso avo ireo kandida ho filoham-pirenena niatrika ny fiodinana faharoa ny alatsinainy teo ny avy eo anivon’ny CENI mba hiatrika fampitahana.
Araka ny lalàna fehizoro laharana 2018/008, andininy faha 52, ao amin’ny andininy 192, dia nampatsiahivin’izy ireo fa ny fampitahana ny fitanana an-tsotra na PV ihany no azon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI atao sy fahefana ananany. Ho fampiharana ny mangarahara sy ho fanomezana fahafaham-po ny solotenan’ny kandida izay nangataka izany ary fandraisana anjara ny rehetra amin’ny fifidianana, indrindra, ny fikirakirana ny voka-pifidianana dia hiala amin’io lalana io izahay ato amin’ny CENI, hoy filoha lefiny, Thierry Rakotonarivo. Ho fanehoana ny CENI amin’ny fangaraharana sy ny tsy fisian’ny zavatra hafenina amin’ny fikirakirana ny vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa iny dia vonona izy ireo hanokatra ny taratasim-bato na « feuille de dépouillement » raha tsy mazava ny fitanana an-tsoratra. Raha mampisalasa indray ny taratasim-bato dia avoaka ny bileta tokana. Mbola aseho ihany koa ny bileta tsy nampiasaina raha ilaina izany. Manasa ny kandida roa ny CENI hiara-hijery ny zava-misy sy hanao izany fampitahana izany eny amin’ny foibeny, hoy hatrany ny antsoavo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.