Politique

CENI Madagascar Mametraka toromarika


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Tsy tompon-kevitra amin’ny fanemorana ny fifidianana ny CENI Madagascar raha ny nambaran’ny mpampakateny, Ernest Razafindraibe fa ny lalàna no mifehy izany.

 

Ho an’ny fangatahan’ireo kandidà sasany amin’ny fanokafana ny lisi-pifidianana indray dia afaka mandray ny soso-kevitra hanatsarana izany ny CENI, ka raha ao anatin’ny lalàna dia azon’izy ireo atao. Nanao fampahafantarana mahakasika ny zotra sy ny fombafomba rehetra atao mandritra ny fifidianana ny CENI omaly teny amin’ny foiben-toerany teny Alarobia. Notsipihana tamin’izany fa ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ihany no manisy sonia ao ambadiky ny biletà tokana fa tsy ny delege ary tsy misy ny fomba hahafahana mampiasa bileta hafa. Noho izany, hatao mangarahara eo imason’ny Delege, mpanara-maso ary ny mpifidy efa tonga amin’ny 6 ora maraina avokoa, hoy ny mpampakantenin`ny CENI ny zavatra rehetra atao ao anatin’ny biraom-pifidianana. Mitovy isa amin’ny mpifidy voasoratra anarana ny kara-pifidianana raha ny nambaran’ny CENI. Raha sanatria kosa very izany dia azo atao ny mitondra kara-panondro sy “attestation d’inscription” avy any amin’ny fokontany. Mila mitondra “ordre de mission”, “attestation d’inscription”, kara-panondro ary kara-pifidianana ireo mpiasam-panjakana voairaka mandritra ny fifidianana. Fa tsy azo atao ny maka sary sy mampiasa finday ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny fifidianana mba hampitovy ny olona rehetra. Nohamafisin’Atoa Ernest Razafindraibe fa amin’ny 6 ora maraina ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato ary mikatona amin’ny 5 ora hariva raha toa ka tsy misy intsony ny olona milahatra. Aorian’io ora voalaza io raha toa ka mbola misy ny mpilahatra dia tsy maintsy mifidy avokoa ireo olona milahatra izay vao azo akatona ny birao fandatsaham-bato. Mahakasika ny fifidianana hatrany dia nanamarika ny CENI Madagasikara fa feno ny vola hanatontosana fifidianana filoham-pirenena taorian`ny nanatevenan`i Frantsa sy Norvezy ny kitapom-bolan`ny SACEM na fihodinana voalohany na faharoa.

 

Marigny A.       

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT