Politique

CENI Madagascar Hanamafy ny fanatsarana ara-teknika


  • Zoma 30 Novambra 2018

Hotanterahina amin’ny alarobia 19 desambra 2018 ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

 Eo am-piandrasana ny didim-panjakana avy amin'ny governemanta mifandraika amin'izany ny vaomiera misahana ny fikarakarana ny fifidianana (CENI). Mahakasika ireo tetiandro manodidina ny fifidianana, ny talata 4 desambra  hatramin`ny alatsinainy 17 desambra 2018 ny fampielezan-kevitra amin`ny fihodinana  faharoa. Ny talata 18 desambra kosa dia hatokana ho androm-pahaginana ara-pifidianana. Tsy miova kosa ny isan`ny biraom-pifidianana manerana ny nosy izay miisa 24 852 ary ny lisi-pifidianana tamin`ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina. Nanamafy ny teo anivon`ny CENI fa tsy misy intsony ny fizarana kara-pifidianana vaovao fa ny teo aloha ihany no ampiasaina kanefa efa misy ny toromarika eo anivon`ny sefom-pokontany amin`ny fizarana karatra ary hisy fepetra manokana apetraky ny CENI amin`ny fanapariahana izany. Anisan'ireo asa hataon'ny CENI ny fanamafisana sy fanatsarana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasam-pifidianana manerana ny nosy sy ny ezaka hanafainganana ny fampitana ny vokatra
ary fanamafisana ny mangarahara sy ny fahamarinan'ny raharaham-pifidianana. Hanasa ireo kandidà roa tafakatra amin'ny fihodinana faharoa miaraka amin'ny delegen'izy ireo ny CENI ny herinandro ho avy izao, hamerina hampahafantatra sy haneho ny andinindinin'ny "logiciel" hampiasaina eny amin'ny SRMV sy ety amin'ny foibe. Marihana fa ny rindram-baiko nampiasain`ny CENI tamin`ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina amin`ny fihodinana faharoa ary hamela malalaka ny solontenany ny kandidà hanara-maso amin`ny fikirakirana voka-pifidianana ny eo anivon`ny SRMV. Ho fanomanana araka ny tokony ho izy ny fifidianana ho avy, vonona hanohy ny mangarahara tanteraka izay efa napetrany nandritra ny fihodinana voalohany ny CENI mba hahazoan’ny rehetra ireo fomba fiasa efa napetraka ho amin’ny fampandehanana ny fifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT