·
Nandray ireo teknisianina eo anivon’ny VERIDOS-Identity Solution ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) omaly maraina teny Nanisana. Noresahina tamin’izany ny tetikasa hamolavola lisi-pifidianana biometrika miainga eny amin’ny fokontany sy ny fifidianana elektronika.
Enim-bolana no fe-potoana heverin’ireo teknisianina fa ilaina hiraketana ny mombamomba ny mpifidy rehetra manerana ny nosy. Ity orinasa miankina amin’ny governemanta alemana ity, izay misehatra ary manana traikefa amin’ny fikirakirana ny resaka biometrika. Hisy ny fifampidinihana anatiny eo anivon’ireo tompon’andraikitra sy teknisianin’ny CENI momba ny fahafahana manatanteraka izany tetikasa izany. Aorian’izay no ho fantatra izay fifanarahana amin’ny VERIDOS-Identity Solution. Mahakasika ny fanavaozana fomba fiasa eo anivon`ity vaomieram-pirenena ity momba ny fiantrehana ny fifidianana manaraka dia hisy fanoloana mpikambana sy olona eo anivon`ireo rantsa-mangaikany. Fanapahan-kevitra nivoitra tamin`ny fivoriana mikaton-trano nataon`ny CENI tamin`ny 23 novambra lasa teo. Efa nisy ny fanadihadiana nataon`ny CENI foibe ka tamin`izany indrindra no nahafantarana ny fanaovana asa kitoatoa sy handaniana amina kandidà hafa, tsy fanarahan-dalàna eny anivon`ny kaominina sy distrika. Hisorohana ny olana nitranga kosa dia hohatsaraina ny fomba fiasa, indridnra eo amin`ny fikirakirana voka-pifidianana. Hisy fikaonan-doha manokana hokarakarain`ny CENI hiantsoana ireo mpiara-miombonantoka, mpanao politika, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpanara-maso ny fifidianana. Nomarihan`ny eo anivon`ny CENI ihany koa fa efa vonona ny makety sy ny endriky ny biletà tokana hampiasaina amin`ny fihodinana faharoa raha toa ka hisy izany. Efa vonona rahateo ihany koa ny fanotana fa miandry ny fanafarana ka tokony ho tratra ny datin`ny 19 esambra ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.