Politique

CENI Madagascar Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika rahampitso


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Vokatra 90% mahery avy amin`ny biraom-pifidianana manerana ny nosy no efa namoahan`ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifiidianana (CENI) ny fironana ary efa nahavoaray 100% ny tatitra an-tsoratra ihany koa ny SRMV

 

 

 

 ( section de materiel de vote) avy amin`ny distrika 116 amin`ny 119 ka 86 amin`ireo dia efa nahatonga ireo antontan-taratasy rehetra teny Alarobia. Hatramin`ny halina no nandrasana farany ny tatitra sy antontan-taratasy mirakitra an-tsoratra ny vokatra avy amin`ny SRMV ho tonga eny amin`ny CENI. Araka izany, nanapa-kevitra ny CENI fa ny alakamisy 27 desambra no ho tontosaina ny famoahana ny vokatra vonjimaika feno amin`ity fihodinana faharoa amin`ny efatra ora tolakandro.  Marihana fa SRMV avy amin`ny distrika telo (3) ihany koa sisa no tsy nahavoaray 100% ny tatitra an-tsoratra avy amin`ny biroam-pifidianana eo anivon`ny distrika misy azy. Araka ny antontan-isa dia miisa 3 ireo distrika no nahitana “PV de carence” na fitanana an-tsoratra ahitana tsy fanjarian`ny latsa-bato. Distrika any Amboasary izay nahitana PV roa sy tany Betroka ka PV iray no voakasika ary tany Mampikony dia nahitana PV roa tsy tomombana. Nitondra fanazavana manokana mifandraika amin`ny famoahana voka-pifidianana  tamin`ireo biraom-pifidianana nitrangana asa dahalo tany Mampikony nandritra ny androm-pifidianana I Thierry Rakotonarivo, filoha lefitrin`ny CENI ka nilàzany fa tao anatin`io distrika io izay misy ny kaominina Kaomajia dia biraom-pifidianana telo no nisehoan`ny tranga saingy kosa niverina ny mponina nifidy tamin`ny efatra (4) ora. Andrasana araka izany ny tena mangarahara amin`ity voka-pifidianana feno ho havoakan`ity vaomieram-pirenena ity. Tsara manamarika fa manana hatramin`ny alakamisy maraina ny kandidà na ny solontenanyhanaovana fampitahana ny fitanana an-tsoratra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT