Politique

CENI foibe Tonga manatevina ny solontenan’ny kandida


  • Talata 11 Septambra 2018

Ny lalàna mifehy ny fifidianana no manome zo ny kandida ofisialy hifaninana amin’ny fifidianana fioham-pirenena, hanana solontena ao amin’ny

 

 

Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Miisa 36 ireo kandida, samy hanana solontena iray avy ho mpikambana tsy maharitra eo anivon’ny CENI foibe sy amin’ireo rantsamangaikany eo anivon’ny FAritra, Distrika ary Kaominina izy ireo. Hatry ny omaly dia manodidina ny roapolo eo ireo kandida efa nandefa ny anaran’ny solontenany eny anivon’ny CENI Foibe, eny hatramin’ireo kandida mitaky ny hanemorana ny fifidianana mba tsy hotontosaina amin’ny 7 novambra aza misy efa nandefa ny anaran’ny solontenany, anisan’izany ny kandidan’ny antoko Kintana Tabera Randriamanantsoa sy ny kandidan’ny Arema Ratsiraka Didier Ignace. Hanao ny fivoriany voalohany io CENI mivelatra io amin’ny alakamisy 13 septambra ho avy izao, ka ho 45 ny isan’ny mpikambana mandrafitra azy raha voasolotena avokoa ireo kandida miisa 36.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT