Politique

CENI Efa tena mandranitra vahoaka…


  • Talata 08 Janoary 2019

Tsy dia nandrenesam-peo firy ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (CENI) taorian’ny 27 desambra namoahana amboletra ny valim-pifidianana na teo aza ny fangatahana ny tsy hanaovana izany aloha hahafahana manao fanamarinana sy fampitahana samihafa.

 

 

Niharan’ny kiana samihafa ary nivoaka ny karazana porofo amin’ny hosoka, ka voasokajy ho tompon’antoka sy nanamora izany ny CENI. Nanao fanambarana izy ireo omaly ka nilaza Atoa Hery Rakotomanana filohan’ny CENI fa tsy mbola nisy fifidianana nadio sy nangarahara tahaka ny tamin'ity fifidianana filoham-pirenena teo ity teto amin'ny tantaran'i Madagasikara. Nomena fahafahana hanao fanamarinana hampitovy ny PV, hanao fitsirihana ny rindram-baiko na "logiciel" nampiasain'ny CENI ireo avy amin'ny kandida tsirairay, hoy izy. Mazava, hoy hatrany ny CENI fa nangarahara iny fifidianana iny. Mbola naveriny fa tsy nanana solontena tany amin'ny biraom-pifidianana ihany koa ny CENI ka tsy tokony holotoina be fahatany izy ireo. Tsaroana ny tenin’Atoa Hery Rakotomanana ny 27 desambra dia hoe: “aoka izay ny fanenjehana sy ny fanaratsiana ny CENI”. Maro ny anefa ny kiana taorian’iny ka nangina tanteraka satria efa nadio ny rano nitany, hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena. Toa mifanipaka ankehitriny ny zavatra ambara satria sady milaza fa nadio sy mangarahara, kanefa niaiky fa nisy ny lesoka nandritra iny fifidianana iny, ka milaza hampiseho imasom-bahoaka izany ny 24 janoary ho avy izao. Inona no dikan’izany, ary nahoana no ora vitsy tsy hamoahan’ny HCC valim-pifidianana no miteny an’io ? Mbola hisy fiantraikany amin’ny fifidianana ve ? Fanadiovan-tena sy mety fanilihan’andraikitra noho ny tandrevaka na ny kolikoly ahiana niseho no andraisan’ny olom-pirenena izany.

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT