Namoaka fanambarana milaza ny tsy hiasany hanara-maso eny amin’ny CENI intsony ny solontenan’ny kandida Andry Rajoelina omaly.
Nambaran’izy ireo fa nolavina ny fangatahany hanara-maso ny fikirakirana ny voka-pifidianana, indrindra ny resaka ara-informatika. Nambarany fa tsy feno ny fepetra hahafaha-manara-maso, tsy mangarahara ny fikirakirana ara-informatika ary sarotra ny hametrahana fitokisana amin’ny voka-pifidianana vonjimaika mivoaka ankehitriny. Azo adika izany fa mety hanohitra voka-pifidianana izy ireo. Asa aloha na fifanandrifian-javatra ihany izao fisintahana izao fa manomboka miakatra ny vato ho an’ireo faritra be mpifidy indrindra eto Madagasikara, toa an’Analamanga sy Vakinankaratra. Manahy ny fitsimbadihan’ny vokatra izy ireo dia mody misintaka sy milaza ho tsy mahatoky ny CENI. Mety hiafara amin’ny fanoherana voka-pifidianana sy fanambarana fa lany na “auto-proclammation” sy fakana fahefana amboletra ve ity raharaha ity satria tsy mahatoky ny CENI ? Nanamafy hatrany moa omaly ny CENI tamin’ny alalan’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo fa zon’ny kandida tsara ny manao ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra, ka raha misy ny tsy fitoviana dia azo atao ny manokatra fanadihadiana sy hahafantarana ny tena marina. Raha tena voka-pifidianana madio niainga tamin’ny PV tena izy no kirakirain’ny kandida eny am-pelatanany, dia tsy tokony hanan-tahotra ary afaka miady tsara any anatin’ny fampitahana ny vokatra miainga amin’ny PV tena marina na ny “confrontation”. 7 andro sisa ananan’ny CENI hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.