Politique

CCI Ivato Ahiana hitsefotra ny dinika anio


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Hitohy anio eny amin’ny CCI Ivato ny fihaonan’ireo filoha dimy tonta, nifandimby nitondra an’i Madagasikara, dia i Didier Ratsiraka, Pr Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina

. Fihaonana andiany fahatelo ity anio ity. Hamerina ny devoara nomena tamin’ny 13 janoary izy dimy lahy, dia ny famaliana ireo fanontaniana miisa 33 handrafetana ny tondrozotran’ny fampihavanam-pirenena tian-kotratrarina eto Madagasikara. Efa nisy fandravonana ny valim-panontaniana nataon’ireo delegasiona telo isanisany avy amin’izy dimy sy ny SEFIP. Niteraka resabe anefa ny tsy nahafahan’ireo delegasionan’ny filoha Ravalomanana nihaona taminy teny Faravohitra, nitondra ny vakiraokan’ny asa natao, hakana fankatoavana. Etsy ankilany nihazakazahan’ny filohan’ny Repoblika ny fanendrena praiminisitra, ny jeneraly Ravelonarivo Jean rehefa nifandroritan’ireo antoko sy vondrona politika mitonona ho manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny fanolorana anaran’olona hotendrena praiminisitra. Mety hisy fiantraikany amin’ny tohin’ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM eny Ivato anio ny zava-mitranga ary ahiana hitsefotra hatramin’ny dinika, raha ny resaka re hatry ny halina.

Jean D.

 

RN4

Malacam

Moto BWS nanao taingin-droa, tsy nanao aroloha ny tao aoriana, tamin’ny 8 ora alina. Nadeha mafy, nifanehatra tamin’ny 4x4 niala lavaka.
tapaka tongony roa, tsy nahatsiaro tena avy hatrany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT