Sarotsarotra vao tafahaona tamin’ny praiminisitra teo aloha, Jeneraly Camille Vital, ary nisisika mafy vao nety naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny tenany. Na dia misitaka kely mamboly sy miompy any Andoharotsy Vineta, distrikan’i Sakaraha, ny Jeneraly Camille Vital, dia
manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny tenany. Nambarany nandritra ny tafa manokana nifanaovana taminy, omaly, tetsy Ivandry (trano fonenany), fa lalim-paka ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. “ Potika ny lalana rehetra sy ireo fotodrafitrasa maro, mirongatra ny kere any Atsimo, mamono mpitandro ny filaminana sy vahoaka tsy manan-tsiny ny malaso, toerana maro dibodrano, indrindra ny eto an-drenivohitra ka miaina ao anaty loto ny vahoaka noho ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa tsy voadio … Mampalahelo ny zava-misy amin’ny fampihavanam-pirenena, satria fihatsarambelatsihy no mitobaka “.
Mijaly ny vahoaka
Ny sosialim-bahoaka no tokony hobanjinina, hoy ity manamboninahitra Jeneraly ity, fa tsy vahaolana ny mifanenjika ara-politika, amin’izao fahasahiranam-bahoaka lalim-paka izao. Nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika ny dahalo niova fo. “ Tokony hosaziana faran’izay henjana ireo lazaina ho dahalo niova fo, mba ho modely amin’ny tany tan-dalàna, ka tsy hanjaka tokana intsony eto amintsika ny tsimatimanota. Manefa ny saziny tamin’ny zava-dratsy vitany izy ireo, avy eo miova fo, izay ny tenako vao hino, fa tsy hamerin-keloka intsony ireo malaso “.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.