Omaly indray vao niverina heno ny feon’ny filohan’ny antoko Hiaraka Isika, Camille Vital, nandritry ny fanambarany ny fanohanana kandida filoham-pirenena iray tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo.
Nohararaotin’ny mpanao gazety nanontaniana azy ny mikasika ny niafaran’ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 350 nogiazan’ny fitondram-panjakana tamin’ny fotoan’androny izay nambara fa an’ity jeneraly praiminisitra tao anatin’ny tetezamita farany teo ity. Tsy nisy olana iny, hoy ny tenany. Nomena ny mpitandro filaminana na zandary na miaramila sy ireo mila izany ireny ary izay koa no faniriako. Soa fa nisy an’ireny ary mahafinaritra ny maheno hoe : nahasoa ny firenena ny 4x4 an’i Camille Vital. Foto-kevitry ny Hiaraka Isika rahateo, hoy hatrany ny tenany, ny tsy misy fampandrosoana tsy misy fandriampahalemana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.