Politique

Brickaville, Fenoarivo Atsinanana, Mananara Avaratra,… Vonon-kampandresy an’i Dada


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Tao amin’ny Faritra Atsinanana, dia i Brickaville, Miarinarivo, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Mananara Avaratra,… no nanohizan’ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly talata 23 oktobra.

 

Fantatro ny olana mianjady ny mponina eto Brickaville. Tsy hitazam-potsiny aho fa hitondra vahaolana maharitra. Efa voarafitra ato anatin'ny vina MAP 2 izany. Nandritra ny sivy taona no niandrasantsika izao fifidianana izao koa manainga antsika rehetra hifanentana hifidy an'i Dada amin'ny 7 novambra 2018, hoy i Marc Ravalomanana. Tsinjoko amin'ny endrikareo tanora tonga eto ny fanantenana. Hisokatra tsy ho ela ny masoandrom-piainanareo, ho nofy ratsy ny nandalovantsika tanatin'izay tonelina maizina izay, hoy kosa izy tao Miarinarivo. Toerana mitoka-monina noho ny haratsian'ny lalana i Mananara Avaratra. Hamboarintsika indray ny lalana, hain'i Dada izany. Efa nahavita lalana vita tara mirefy 9 400 km isika eran'i Madagasikara ary mbola hanao lavitra noho izay isika, hoy ny fampanantenany. Ny kaominina Sahambala no ambohipihaonan’ny vahoaka avy amin’ireo tanàna manodidina dia i Fotsimavo, Ambodiharatra, Ambalarondro, ka nanazavan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, ny fandaharanasany dia ny MAP 2 sy ny fanomezan-tokiny na ilay “Manifesto”. Nitohy tao Mahavelona, Foulpointe, ka vory lanona ny vahoaka avy amin’ny tanànan’i Besokina, Andodabe, Antaratasy, Ampasimbe,…. Tsotra ny hafatra, “mila harenina ny Firenena satria tao anatin’ny 9 taona dia nitotongana avokoa ny tarehimarika rehetra”. Aminy dia tsy izay milaza ho manorina sy mpanangana rehetra akory dia inoana fa misy koa ny mahay kokoa raha mandrava sy manapotika. Ny MAP 2 dia fanarenana haingana ny lentan’ny Firenena aloha, ka lohalaharana ny fandriampahalemana, ny sakafo ho an’ny Malagasy, ny fianaran’ny mpianatra, ary fahasalamana sy ny asa ho an’ny vahoaka. Ny ankoatra izay dia mbola haitraitra avokoa. Nohazavain’i “Dada” avokoa izany teny amin’ny toerana rehetra nandalovany. Ankoatra ny diany, dia manamafy ny fampielezan-kevitra ny ekipa mpanohana sy vahoaka, ka tany Ambositra, ohatra, omaly dia nafana ny fampielezan-kevitra nohafanain’ny Tarika Ambondrona, izay efa manohana an’I Dada hatrizay. Ho an’ny anio, dia hiainga ao Toamasina ny angidim-by mitondra ny kandida laharana faha-25, ka hihazo an’Alaotra toa an’i Tanambe, Andilamena. Hahazo ny faritra Betsiboka dia any Mahazoma, Maevatanana, ary hihazo an’i Bevilany, Ambatoboeny, Madirovalo, Manarantsandry, Marovoay, Majunga izay samy any amin’ny faritra Boeny ny kandida laharana faha-25, hihaona amin’ny vahoaka.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT