Feno iray volana ny toky nataon’Atoa Botozaza Pierrot tamin’ny fangatahan’ny lehiben’ny Cisco Toamasina I amin’ny fanampiana ara-solosaina azy ireo ny 13 martsa lasa teo, nandritra ny fanomezana kahie miisa 8.000 ozaraina tamin’ny sekolim-panjakana sy tsy miankina manana fahasahiranana ao aminy; dia tonga nanolotra izany solosaina izay ny tenany ny alatsinainy 13 aprily teo.
Miisa 05 ireto solosaina ireto natolotra ireo araka ilay fangatahana natao, ka ahitana ireo fitaovana ilaina mifanaraka aminy rehetra ihany koa. “Amin’ny maha-zanaky Toamasina ahy sy amin’ny fanaovana asasoa hatramin’izay ary amin’ny fitiavako mitsinjo ny taranaka Malagasy, no anton’ny fanampiana nataoko izao. Amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy izao mantsy dia ilaina ny mifanampy arakaraka ny kely misy eo amin’ny tena”, izay no nambaran’Atoa Botozaza Pierrot momba izao hetsika nataony izao. Tsapa tato ho ato fa tsy miresaka politika intsony i Botozaza Pierrot, tsy tazana teny amin’ny fivoriamben’ny TIM teny amin’ny Carlton niaraka tamin’i Marc Ravalomanana ihany koa izy saingy kosa hita matetika any amin’ny resaka asa soa sy fanampiana ny mpiara-belona. Midika ve izany fa niova fo tanteraka izy ka tsy manao politika intsony fa efa lasa mpanao asa soa ?
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.