Politique

BOTOZAZA PIERROT Nampihavana tany Toamasina


  • Talata 17 Martsa 2015

Gaga ny rehetra fa vitan'Atoa Botozaza Pierrot ny nampiray sy nampihavana ireo heverin'ny olona fa tsy mifanara-tsaina sy misy olana, nandritra ny fandalovany tao Toamasina ny faran'ny herinandro teo

 

 

 

. Nandritra ny lanonana nokarakarainy tao amin'ny trano fisakafoanana Le Bateau Ivre dia tazana tao avokoa ry Lahady Samuel sy ny ekipany, hita tao ihany koa ry Rasamimaka Mahefalahy sy ny ekipany ... Nandritra ity lanonana ity no nilazan'Atoa Botozaza Pierrot fa "tsy fotoanan'ny ady sy tsy fifankahazoana intsony amin'ny samy mpanao politika sy ny malagasy izao, mila fampihavanam-pîrenena ho fototry ny fiaingana vaovao hanavotam-pirenena isika izao". Nohamafisiny koa aza fa "fotoana izao hametrahantsika miaraka ny maha izy azy an'i Madagasikara tsy hananantsika tsiny amin'ny taraka, fotoana ihany koa izao  hametrahantsika amin'izay koa ny maha izy an'i Toamasina sy amin'ny maha kapitaly ekonomika azy. Koa mila firaisankina sy fifankatiavana tsy ao anaty fihatsarambelatsihy izany, satria tsy izy intsony izao zava-mihatra amin'ny malagasy anaty fahantrana tena lalina izao, sy izao fiainana tsy mandeha misy eto Toamasina nefa fototry ny fidiram-bolam-panjakana izao". Ankoatra izay, mbola nohamafisiny ny tsy firotsahany ho kandida ben'ny tanàna ao Toamasina na betsaka aza ny feo nandeha ny hanaovana izany, indrindra mandritra ireo fanolorany fanomezana samy hafa ny mpiara-belona sy ny tanora.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT