Politique

Boriborintany fahadimy Mitarika hatrany ny filoha Ravalomanana


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Manangasanga tokoa ny fandresena ho an`ny antoko Tiako I Madagasikara. Manentana ny rehetra ho tony ny depioten`ny boriborintany fahadimy, Rasendramiadana Clarisse, sady nisaotra tamin`ireo mponina ao amin`ny boriborintany iadidiany.

 

 Azo antoka hoy izy fa lany ny kandidà Marc Ravalomanana fa mangataka kosa ity solombavambahoaka ity mba hiandry am-pitoniana sy am-pahendrena ny voka-pifidianana. Manao antso avo ny mponina kosa izy tsy hanaiky ny fafy lainga aelin`ny olona. Nohamafisiny fa mitarika ny kandidà Ravalomanana Marc. Noraisiny ohatra ny fokontany  Ambohidahy Ankadidramamy fa nahazo 62% ity filoham-pirenena teo aloha ity. Misy fetrany ny fahendrena sy fandeferana fa mbola mitohy ny tolona, hoy ny depiote, Rasendramiadana Clarisse, ka miantso ny rehetra mba hiaro ny safidiny. Nanao tatitra ny fampielezan-kevitra nataony tany Manjakadriana izay toerana niaviany ity depiote ity ka nilaza fa nisy hatrany ny fidinana ifotony isa-tokantrano. Nitety fokontany maro ny tenany ary nandresy lahatra ny vahoaka tany an-toerana. Tsikaritra fa mahatsiaro an`i Dada ny rehetra ary ny faritra Vakiniadiana no anisan`ny nahazo fanampiana tamin`ny fitondran`ny filoha Marc Ravalomanan toy ny ombivavy be ronono, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT