Vory lanona tetsy Nanisana ireo vahoakan’ny boriborintany fahadimy ny marainan’ny sabotsy teo nialoha ny nihazoana an’Ambohijatovo hihaona amin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha-25 ao anaty bileta tokana, Marc Ravalomanana.
Antony dia hanaporofona fa hendry sy tia lamina ary manaraka toromarika ny zanak’i Dada. Ny depiote eny an-toerana, Clarisse Rasendramiadana sy ireo mpiara-miasa aminy moa no nitarika izay fanomezana toromarika izay. Am-pitiavana, tsy sandaina vola, hoy izy, no hanohananay an’i Dada ary mavitrika toy ny androany foana izay mitety varavarana hizara ny fintim-pandaharan’asan’i Dada na ny “Manifesto”, indrindra, ho an’ireo tsy resy lahatra satria izay no maha fampielezankevitra azy. Gaga aho, hoy ny tenany, mahita hoe avy aiza daholo ireny volabe atobaky ny kandida sasany ireny ka ny hafatro, hoy ny depiote, Clarisse Rasendramiadana, dia tadidio fa tsy nitotongana toy izao ny firenena raha tsy noho ny fanonganam-panjakana 2009. Aza amidy ny safidy mba tsy hilentehantsika anaty fahantrana, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.